1 Thessalonians 1:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa avy tao aminareo no nanakoako ny tenin’ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany fa teny tontolo eny no nielezan’ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra ka tsy misy holazainay intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tsy tany Masedônia sy Akaia ihany no tongan’ny akon’ny tenin’Andriamanitra avy tany aminareo, fa niely hatraiza hatraiza ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra, ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanako avy teo aminareo ny tenin’ny Tompo, ka tsy hoe nanerana an’i Masedônia sy i Akaîa ihany, fa niely hatraiza hatraiza koa ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra; hany ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona.
Malagasy Bible 1865
Fa avy taminareo no nanenoan'ny tenin'ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan'ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa avy tao aminareo no nanakoako ny tenin’ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany fa teny tontolo eny no nielezan’ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra ka tsy misy holazainay intsony.
malagasy
Fa avy taminareo no nanenoan'ny tenin'ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan'ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony.