1 Thessalonians 2:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan’Andriamanitra any Jodia izay ao amin’i Kristy Jesosy. Fa ny nanjo anareo noho ny nataon’ny iray firenena aminareo dia sahala amin’ny nanjo azy ireo koa noho ny nataon’ny Jiosy taminy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ianareo, ry kristianina havana, dia efa nanahaka ny Eglizin’Andriamanitra any Jodea, izay ao amin’i Kristy Jesoa, satria sahala amin’izao nanjò anareo tamin’ny iray firenena aminareo izao koa no nanjò azy ireo tamin’ny Jody,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ianareo, ry havana, dia efa tahaka ny kristianina ao amin’ireo Fiangonan’Andriamanitra any Jodea, izay tafaray amin’i Kristy Jesoa; izay nanjo anareo tamin’ny nafitsoky ny mpiray firenena aminareo no nanjo azy ireo koa tamin’ny nafitsoky ny Jiosy.
Malagasy Bible 1865
Fa ianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan'Andriamanitra any Jodia izay amin'i Kristy Jesosy; fa ny nanjo anareo noho ny nataon'ny iray firenena aminareo dia sahafa amin'ny nanjo ireo koa noho ny nataon'ny Jiosy taminy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan’Andriamanitra any Jodia* izay ao amin’i Kristy Jesosy. Fa ny nanjo anareo noho ny nataon’ny iray firenena aminareo dia sahala amin’ny nanjo azy ireo koa noho ny nataon’ny Jiosy taminy;
malagasy
Fa ianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan'Andriamanitra any Jodia izay amin'i Kristy Jesosy; fa ny nanjo anareo noho ny nataon'ny iray firenena aminareo dia sahafa amin'ny nanjo ireo koa noho ny nataon'ny Jiosy taminy,