1 Thessalonians 2:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandrara anay tsy hitory amin’ny Jentilisa ny Jiosy mba hamonjena ny olona hafa firenena. Ary amin’izany izy dia tsy mitsahatra manampy trotraka ny fahotan’ny tenany. Farany anefa dia nahatratra azy ny fahatezerana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary mandrara anay tsy hitory amin’ny Jentily hahazoanay famonjena, hany ka mihafeno hatrany hatrany ny lanjan’ny fahotany; sady efa tsy anerany loatra ny fahatezeran’Andriamanitra aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sakanan-dry zareo izahay tsy hitory amin’ny hafa firenena ilay hafatra mitondra famonjena, hany ka mihafeno hatrany ny fatran’ny fahotana vitan’ny Jiosy, kanjo, tamin’ny farany, dia niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ireo.
Malagasy Bible 1865
ka mandrara anay tsy hitory amin'ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny, mba hameno ny fahotan'ny tenany mandrakariva; kanjo efa niharan'ny fahatezerana hatramin'ny farany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandrara anay tsy hitory amin’ny Jentilisa* ny Jiosy mba hamonjena ny olona hafa firenena. Ary amin’izany izy dia tsy mitsahatra manampy trotraka ny fahotan’ny tenany. Farany anefa dia nahatratra azy ny fahatezerana.
malagasy
ka mandrara anay tsy hitory amin'ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny, mba hameno ny fahotan'ny tenany mandrakariva; kanjo efa niharan'ny fahatezerana hatramin'ny farany izy.