1 Thessalonians 2:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman’alina izahay mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory aza taminareo, raha nitory ny Filazantsaran’Andriamanitra taminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
He, tsaroanareo, ry kristianina havana, ny fikelezana aina amam-pisasaranay, fa sady niasa andro aman’alina izahay no nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tany aminareo, mba tsy hahavaky tratra olona na dia iray taminareo aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsaroanareo, ry havana, ny nikelezanay aina sy nisasaranay mafy; niasa andro aman’alina izahay mba tsy hanahirana na dia olona iray taminareo aza, fony izahay nitory taminareo ny Vaovao Mahafaly avy amin’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Fa tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman'alina, mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory taminareo aza, no nitorianay ny filazantsaran'Andriamanitra taminareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman’alina izahay mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory aza taminareo, raha nitory ny Filazantsaran’Andriamanitra taminareo.
malagasy