1 Thessalonians 4:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Farany, ry rahalahy, dia mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin’i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka izay nampianarinay anareo no fandehananareo, mba hankasitrahan’Andriamanitra; koa arakaraka ny andehananareo ihany no hitomboanareo bebe kokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Farany, ry kristianina havana, izao no angatahinay sy ihantanay aminareo ao amin’i Jesoa Tompo: efa nianaranareo taminay izay fitondran-tena mety hankasitrahin’Andriamanitra, sady efa arahinareo koa, ka mandrosoa mandrakariva amin’ny fandehanana araka izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Farany, ry havana, efa nianaranareo taminay ny fitondrantena ankasitrahin’Andriamanitra, ary efa manaraka izany rahateo ianareo. Kanefa dia izao no iangavianay sy ampirisihinay anareo amin’ny anaran’i Jesoa Tompo: manaova tsaratsara kokoa hatrany!
Malagasy Bible 1865
Ary farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin'i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon'Andriamanitra - dia araka ny andehananareo ihany - no hitomboanareo bebe kokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Farany, ry rahalahy, dia mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin’i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka izay nampianarinay anareo no fandehananareo, mba hankasitrahan’Andriamanitra; koa arakaraka ny andehananareo ihany no hitomboanareo bebe kokoa.
malagasy
[Fananarana ny Tesaloniana hitondra tena miendrika ny filazantsara] Ary farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin'i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon'Andriamanitra - dia araka ny andehananareo ihany - no hitomboanareo bebe kokoa.