1 Thessalonians 4:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary rehefa afaka izany dia isika izay velona ka mbola ho eo no hakarina hiaraka amin’ireo ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
raha efa izany, hakarina hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny rahona koa isika velona sisa tavela, hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka, dia ho any amin’ny Tompo mandrakizay isika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
avy eo, dia hakarina hiaraka amin’ireo ho eny amin’ny rahona koa isika velona aina sisa tavela, mba hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka; ary dia hiaraka amin’ny Tompo mandrakizay isika.
Malagasy Bible 1865
ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary rehefa afaka izany dia isika izay velona ka mbola ho eo no hakarina hiaraka amin’ireo ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika.
malagasy
ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.Koa dia mifampionòna ianareo amin'izany teny izany.