1 Thessalonians 4:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
aoka tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin’izany raharaha izany; fa ny Tompo no mpamaly ny amin’izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary ny tsy hisian’olona manao an-keriny na an-kafetsena amin’ny rahalahiny amin’izany raharaha izany, fa ny Tompo no mpamaly izany rehetra izany, araka ny efa voalazanay sy nasehonay marina taminareo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka amin’izany raharaham-panambadiana izany, dia aoka tsy hisy olona hanao ny tsy rariny amin’ny namany na hifetsy azy. Araka ny efa voalazanay taminareo sy nameperanay mafy anareo, dia hofaizin’ny Tompo izay manao ireny karazan-javatra ireny.
Malagasy Bible 1865
mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin'izany; fa ny Tompo no mpamaly ny amin'izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
aoka tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin’izany raharaha izany; fa ny Tompo no mpamaly ny amin’izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo ihany.
malagasy
mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin'izany; fa ny Tompo no mpamaly ny amin'izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo. [ Na: amin'ny raharaha]