1 Timothy 1:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
na ho variana amin’ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga adihevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an’Andriamanitra amin’ny finoana ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
na hikatsaka anganongano aman-tetiarana tsy hita lany, izay vao mainka mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny asan’Andriamanitra miorina amin’ny finoana;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ilazao ireo mba tsy hifikitra amin’anganongano sy tantaram-pirazanana tsy misy farany, izay mahabe ady hevitra fotsiny fa tsy mampandroso ny asa famonjena aorin’Andriamanitra amin’ny finoana.
Malagasy Bible 1865
na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an'Andriamanitra amin'ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
na ho variana amin’ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga adihevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an’Andriamanitra amin’ny finoana ireny.
malagasy