1 Timothy 2:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, nefa tsy amin’ny volo mirandrana sy ny volamena, na vatosoa na fitafiana sarobidy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy izany koa ny vehivavy, mitondra fitafiana mendrika, miravaka am-pahamaotonana sy fahendrena; tsy randram-bolo, na volamena, na vato soa, na fitafiana sarobidy no atao,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toraka izany koa ny vehivavy: tiako mba hihaingo maotina tsara sy mahalala onony izy ireo ka hitondra fitafiana mendrika, tsy hanao taovolo mihaitraitra, tsy hirenty volamena na vatosoa na fitafiana sarobidy,
Malagasy Bible 1865
Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, nefa tsy amin’ny volo mirandrana sy ny volamena, na vatosoa na fitafiana sarobidy,
malagasy
Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy, [ Gr. perila]