1 Timothy 3:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zavamiafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, hitan’ny anjely, notorina tany amin’ny Jentilisa, ninoana teny amin’izao tontolo izao, nakarina ho any amin’ny voninahitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tsy azo lavina, fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, niseho tamin’ny Anjely, notorina tany amin’ny Jentily, ninoana tamin’izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary iaraha-miaiky fa lehibe ny tsiambaratelo nambara momba ny fivavahantsika: Niharihary ho olombelona i Kristy, nankatoavin’Andriamanitra tamin’ny herin’ny Fanahy masina ary niseho tamin’ny iraka; notorîna tany amin’ny firenena, ka ninoana eran’ izao tontolo izao; nakarina any an-danitra tamim-boninahitra.
Malagasy Bible 1865
Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy; hitan'ny anjely, notorina tany amin'ny jentilisa, ninoana teny amin'izao tontolo izao, nakarina tamin 'ny voninahitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zavamiafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, hitan’ny anjely, notorina tany amin’ny Jentilisa*, ninoana teny amin’izao tontolo izao, nakarina ho any amin’ny voninahitra.
malagasy
Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy; hitan'ny anjely, notorina tany amin'ny jentilisa, ninoana teny amin'izao tontolo izao, nakarina tamin'ny voninahitra. [ Na: ho any amin']