1 Timothy 5:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa mandava kosa ny mpitondratena mbola tanora; fa rehefa mampitodika azy hanalavitra an’i Kristy ny faniriany dia ta hanambady indray izy izay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa aza mandray ny mpitondratena tanora satria rehefa voan’ny filan’ny nofo ka tofoka an’i Kristy ireny, dia te hanambady indray,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza ekena ho anaty lisitra ireo mpitondratena mbola tanora, satria rehefa voan’ny filàm-pahafinaretana izy dia miala amin’i Kristy ary te hanambady indray;
Malagasy Bible 1865
Fa mandava ny mpitondra-tena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan'i Kristy izy, dia ta-hanam-bady
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa mandava kosa ny mpitondratena mbola tanora; fa rehefa mampitodika azy hanalavitra an’i Kristy* ny faniriany dia ta hanambady indray izy izay.
malagasy
Fa mandava ny mpitondra-tena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan'i Kristy izy, dia ta-hanam-bady