1 Timothy 5:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ankoatra izay dia mianatra ho malaina miasa koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina miasa ihany fa mitati-dresaka sy mpandehandeha miraharaha ny an’olona ka manao teny tsy tokony hotenenina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
sady midonana-poana koa ireny, ka rafitra ny hitety trano, dia tsy midonana-poana fotsiny, fa be taria, misafo ny an’olona, miresaka ny tsy tokony horesahina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tsy vitan’izany, fa mianatra mandany andro miriorio mitety tranon’olona koa ireo; ary tsy hoe mandany andro fotsiny, fa mipentsompentsona, manao zavatra tsisy antony etsy sy eroa miresaka zavatra tsy tokony horesahina.
Malagasy Bible 1865
Sady mianatra ho malaina koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an'olona ka manao teny tsy mety.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Sady mianatra ho malaina koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an'olona ka manao teny tsy mety.