1 Timothy 5:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny loholona izay mahay mitarika dia mendrika ny hahazo fanajana roa heny, indrindra fa izay mikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay Pretra tsara fitondra dia mendrika hajan-dray aman-dreny avo sasaka; indrindra fa ireo milozoka mitory teny sy mampianatra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka ny loholona tsara fitondra ny Fiangonana handray valin-kasasarana avo roa heny, indrindra fa ireo mikely aina amin’ny fitorian-teny sy ny fampianarana.
Malagasy Bible 1865
Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny indrindra fa izay nikely aina amin'ny teny sy ny fampianarana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny loholona izay mahay mitarika dia mendrika ny hahazo fanajana roa heny, indrindra fa izay mikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana.
malagasy
Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny indrindra fa izay nikely aina amin'ny teny sy ny fampianarana. [ Gr. presbytera]