1 Timothy 5:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mananatra mafy anao aho eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy mba hotandremanao izany zavatra izany ka tsy hisy fizahan-tavan’olona na fanaovana na inona na inona amin’ny fiangarana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mihanta aminao eo anatrehan’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy ary ny Anjely voafidy aho, mba tsy hanananao olon-tiana, na hasianao fiangarana kely akory, ny fitandremana izany zavatra izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eo imason’Andriamanitra sy i Kristy Jesoa ary ny anjely masina no ameperako mafy anao: tandremo tsara ireo torohevitra ireo, ka tsy hisy fizahàn-tavan’olona na fiangarana amin’izay ataonao.
Malagasy Bible 1865
Mananatra anao mafy aho eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy mba hotandremanao izany zavatra izany, tsy manao olon-tiana, na manao na inona na inona amin'ny fiangarana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mananatra mafy anao aho eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy* Jesosy ary ny anjely voafidy mba hotandremanao izany zavatra izany ka tsy hisy fizahan-tavan’olona na fanaovana na inona na inona amin’ny fiangarana.
malagasy
Mananatra anao mafy aho eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy mba hotandremanao izany zavatra izany, tsy manao olon-tiana, na manao na inona na inona amin'ny fiangarana.