1 Timothy 5:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy dia aoka aloha ireo hianatra haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony ka hamaly soa ny ray aman-dreniny, fa izany no ankasitrahina eo anatrehan’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha misy mpitondratena manan-janaka na zafy kosa, dia aoka ho ireo aloha no hianatra hanaja ny fianakaviany, ka hamaly babena ny ray aman-dreniny, fa izany no sitrak’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha manana zanaka aman-jafy ilay vehivavy mpitondratena, dia aoka ireo aloha hianatra haneho ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny fianakaviany ka hamaly babena ny ray aman-dreniny na ny raibe aman-drenibeny, fa izany no ankasitrahin’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy dia aoka aloha ireo hianatra haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony ka hamaly soa ny ray aman-dreniny, fa izany no ankasitrahina eo anatrehan’Andriamanitra.
malagasy