1 Timothy 6:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay andevo rehetra eo ambanin’ny zioga dia aoka hanao ny tompony ho mendrika hohajaina tsara mba tsy hitenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra sy ny fampianarana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpanompo rehetra ao ambany jiogan’ny sasany, dia aoka hanao ny tompony ho mendrika hohajaina tokoa, mba tsy ho voateny ratsy ny Anaran’Andriamanitra sy ny fampianarany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka ny mpanompo rehetra fehezin’olona hanao ny tompony ho mendri-kaja tanteraka, mba tsy hanevatevana ny anaran’Andriamanitra sy ny fampianarantsika.
Malagasy Bible 1865
Aoka izay andevo rehetra eo ambanin'ny zioga hanao ny tompony ho miendrika hohajaina tsara, mba tsy hitenenana ratsy ny anaran'Andriamanitra sy ny fampianarana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay andevo rehetra eo ambanin’ny zioga dia aoka hanao ny tompony ho mendrika hohajaina tsara mba tsy hitenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra sy ny fampianarana.
malagasy
Aoka izay andevo rehetra eo ambanin'ny zioga hanao ny tompony ho miendrika hohajaina tsara, mba tsy hitenenana ratsy ny anaran'Andriamanitra sy ny fampianarana.