1 Timothy 6:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa Izy no haneho izany amin’ny fotoanandrony, dia ilay hany tompom-pahefana sy loharanon’ny fahasambarana, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
izay hasehon’Andriamanitra amin’ny fotoany, dia ilay Andriamanitra sambatra, Mpandidy tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka, Tompon’ny tompo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny hisehoan’i Kristy, amin’ny fotoana voatendry, dia hotanterahin’Andriamanitra, ilay Andriana tokana sady loharanom-pahasambarana, ilay Mpanjakan’ny mpanjaka sady Tompon’ny Tompo:
Malagasy Bible 1865
ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo, no haneho izany amin'ny fotoany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa Izy no haneho izany amin’ny fotoanandrony, dia ilay hany tompom-pahefana sy loharanon’ny fahasambarana, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo;
malagasy
ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo, no haneho izany amin'ny fotoany;