1 Timothy 6:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izy ihany no manana ny tsy fahafatesana, mitoetra eo amin’ny mazava tsy azo hatonina, izay tsy hitan’olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy irery no manana ny tsy fahafatesana, mipetraka ao amin’ny fahazavana tsy hay hatonina, tsy misy olombelona nahita Azy na mety hahita Azy, ary Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amen.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izy ihany no tsy mety maty, mitoetra ao amin’ny hazavana tsy hay akaikezina; tsy misy olombelona nahita maso Azy hatrizay hatrizay, ary tsy misy afaka hahita maso Azy; ho Azy anie ny haja sy ny fanjakana mandrakizay! Amen.
Malagasy Bible 1865
Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan'olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izy ihany no manana ny tsy fahafatesana, mitoetra eo amin’ny mazava tsy azo hatonina, izay tsy hitan’olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.
malagasy
Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan'olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.