1 Timothy 6:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay manana tompo mpino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy satria ilay mandray ny soa ataony dia mpino sady malala. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro. Ireo zavatra ireo no ampianaro sy ananaro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha mpino no tompon’izy ireo, dia havana iray finoana ihany ka aoka tsy hoesoiny, fa vao mainka hotompoiny tsaratsara kokoa aza, satria tsy iza fa havana iray finoana malalany ihany no tompoiny. Tokony hampianarina sy hatorotoro tsara ny olona izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpanompo, manana tompo kristianina, dia tsy tokony hanao tsinontsinona azy satria hoe rahalahiny ihany; fa vao mainka tokony hanompo azy tsara aza, satria mpino malalany no anaovany soa. Ireo zavatra ireo no ampianaro sy ampirisiho.
Malagasy Bible 1865
Ary izay manana tompo mino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy, satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy, satria mino sy malala ilay mpandray ny soa atao. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay manana tompo mpino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy satria ilay mandray ny soa ataony dia mpino sady malala. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro. Ireo zavatra ireo no ampianaro sy ananaro.
malagasy