2 Chronicles 1:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Andriamanitra tamin’i Solomona: Satria izany no tao am-ponao ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ny ain’ny fahavalonao, ary tsy nangataka ny ho ela velona aza fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy Andriamanitra tamin’i Salômôna: «Satria izany no ao am-ponao, fa tsy vola aman-karena no nangatahinao, na voninahitra, na ny ain’ny fahavalonao, ary tsy nangatahinao ny ho lava fiainana aza, fa ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina no nangatahinao ho anao, hitsaranao ny vahoakako izay nananganako anao ho mpanjaka;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy Andriamanitra tamin’i Salômôna: –Satria izany no tao am-ponao fa tsy nangataka vola aman-karena na voninahitra na ny hahafaty ireo fahavalonao ianao, ary tsy nangataka ny ho ela velona aza fa fahendrena sy fahaiza-manavaka hifehezana ny vahoakako izay nananganako anao ho mpanjaka;
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Andriamanitra tamin'i Solomona: Satria tao am-ponao izany ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ain'ny fahavalonao, ary tsy nangataka ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy Andriamanitra tamin’i Solomona: Satria izany no tao am-ponao ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ny ain’ny fahavalonao, ary tsy nangataka ny ho ela velona aza fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao,
malagasy