2 Chronicles 1:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanangona kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly i Solomona ka nanana kalesy fitondra miady efajato sy arivo sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay nataony tany amin’ireo tanàna fitoeran’ny kalesy fitondra miady ary tao amin’ny mpanjaka tany Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanangona kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly i Salômôna, ka nanan-kalesy 1.400, sy mpitaingin-tsoavaly 12.000 izay napetrany tamin’ireo tanàna fitoeran-kalesy, sy tao Jerosalema akaikin’ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanangona kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly i Salômôna ka nanana kalesy 1 400 ary mpitaingin-tsoavaly 12 000 izay nisy natobiny tamin’ireo tanàna fitoeran-kalesy ary nisy notanany teo aminy tao Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ka nanana kalesy efa-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay nataony tany amin'ireny tanàna fitoeran'ny kalesy ary tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanangona kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly i Solomona ka nanana kalesy fitondra miady efajato sy arivo sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay nataony tany amin’ireo tanàna fitoeran’ny kalesy fitondra miady ary tao amin’ny mpanjaka tany Jerosalema.
malagasy
[Ny amin'ny nanangonan'i Solomona soavaly aman-kalesy mbamin'ny harena be] Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ka nanana kalesy efa-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay nataony tany amin'ireny tanàna fitoeran'ny kalesy ary tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.