2 Chronicles 1:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nataon’ny mpanjaka ho tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny hazo sedera dia nataony maro toy ny aviavy any Sefela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny volafotsy amam-bolamena tany Jerosalema, nataon’ny mpanjaka ankabetsahana tahaka ny vato; ny sedera nataony maro toy ny amontana maniry eny an-tany lemaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy ny hamaroan’ny vatokely no nataon’ny mpanjaka habetsaky ny volafotsy sy volamena tao Jerosalema; ary toy ny hamaroan’ny aviavy any Sefelà no nataony habetsaky ny hazo sedera.
Malagasy Bible 1865
Ary nataon'ny mpanjaka ho tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nataon’ny mpanjaka ho tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny hazo sedera dia nataony maro toy ny aviavy any Sefela.
malagasy
Ary nataon'ny mpanjaka ho tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka. [Heb. Sefela]