2 Chronicles 1:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary noentiny niakatra avy tany Ejipta ny vidin’ny kalesy fitondra miady iray, izay sekela volafotsy eninjato, ary ny soavaly dia dimampolo amby zato avy; toy izany koa no nitondrany ho an’ny mpanjakan’ny Hetita sy ny mpanjakan’ny Arameana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
volafotsy 600 sikla no fahazoana mampakatra sy mamoaka kalesy iray avy tany Ejipta, ary 150 sikla no fahazoana soavaly iray. Fa torak’izany ihany koa no nitondran’izy ireo ho an’ny mpanjakan’ny Heteanina rehetra sy ny mpanjakan’i Siria.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny kalesy fitondra miady anankiray nentin’ny mpandranto niakatra avy tany Ejipta dia sekela volafotsy eninjato, ary ny soavaly anankiray kosa dia nitentina sekela volafotsy 150; toy izany vidiny izany koa no nitondran’ireo mpandranto ireo ho an’ny mpanjakan’ny Hetita sy ho an’ny mpanjakan’i Siria.
Malagasy Bible 1865
Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany koa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana. Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah sy lapa ho an'ny tenany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary noentiny niakatra avy tany Ejipta ny vidin’ny kalesy fitondra miady iray, izay sekela volafotsy eninjato, ary ny soavaly dia dimampolo amby zato avy; toy izany koa no nitondrany ho an’ny mpanjakan’ny Hetita sy ny mpanjakan’ny Arameana.
malagasy
Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany koa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana.[Ny niomanan'i Solomona hanao ny tempoly] Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah sy lapa ho an'ny tenany.