2 Chronicles 1:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niteny tamin’ny Israely rehetra i Solomona, dia ny mpifehy arivo, ny mpifehy zato, ny mpitsara ary ny lohan’ny foko rehetra tamin’ny Israely, dia ny lohan’ny fianakaviana,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy didy nomen’i Salômôna ho an’i Israely rehetra, dia ny tomponarivo, ny tompon-jato, ny mpitsara, ny filohany rehetra teo amin’i Israely ary ny loham-pianakaviana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Novorîn’i Salômôna ny Israelita rehetra, dia ny mpifehy vondro-miaramila sy mpifehy andia-miaramila ary ny mpitsara sy ireo tompon’andraikitra rehetra teo amin’i Israely, izany hoe ireo filoham-pianakaviana.
Malagasy Bible 1865
Ary Solomona nandidy Isiraely rehetra, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpitsara ary loham-pirenena rehetra tamin'ny Isiraely, dia lohan'ny fianakaviana,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niteny tamin’ny Israely rehetra i Solomona, dia ny mpifehy arivo, ny mpifehy zato, ny mpitsara ary ny lohan’ny foko rehetra tamin’ny Israely, dia ny lohan’ny fianakaviana,
malagasy
Ary Solomona nandidy Isiraely rehetra, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpitsara ary loham-pirenena rehetra tamin'ny Isiraely, dia lohan'ny fianakaviana,