2 Chronicles 1:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
koa niara-niakatra ho any amin’ny toerana fanaovana sorona tao Gibeona i Solomona sy ny fiangonana manontolo; fa tao ny tranolay fihaonana izay an’Andriamanitra, ilay nataon’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, tany an-tany efitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka niara-niakatra tamin’ny fiangonana rehetra i Salômôna ho any amin’ny fitoerana avo any Gabaôna. Fa tao ny trano lay fihaonan’Andriamanitra nataon’i Môizy, mpanompon’i Iaveh, tany an’efitra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niara-niakatra ho any amin’ny toeram-pisoronana tao Gibehôna i Salômôna sy ny olona rehetra tafangona; fa tao no nisy ny Tranolay fihaonana tamin’Andriamanitra, dia ilay nataon’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO tany an-taniefitra.
Malagasy Bible 1865
ka dia niara-niakatra ho any amin'ny fitoerana avo tao Gibeona Solomona sy fiangonana rehetra; fa tao trano-lay fihaonana izay an'Andriamanitra, ilay nataon'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, tany an-efitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
koa niara-niakatra ho any amin’ny toerana fanaovana sorona tao Gibeona i Solomona sy ny fiangonana manontolo; fa tao ny tranolay fihaonana* izay an’Andriamanitra, ilay nataon’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, tany an-tany efitra.
malagasy
ka dia niara-niakatra ho any amin'ny fitoerana avo tao Gibeona Solomona sy fiangonana rehetra; fa tao trano-lay fihaonana izay an'Andriamanitra, ilay nataon'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, tany an-efitra.