2 Chronicles 1:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny alitara varahina izay nataon’i Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, dia teo anoloan’ny tabernakelin’NY TOMPO. Nitady Azy i Solomona sy ny fiangonana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ilay ôtely varahina nataon’i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, dia tany koa, teo anoloan’ny tabernaklan’i Iaveh. Nitady an’i Iaveh tany i Salômôna sy ny fiangonana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny alitara halimo izay namboarin’i Betsalela zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora kosa dia teo anoloan’ny Fonena-masin’ny Tompo tao Gibehôna. Teo no nahatongavan’i Salômôna sy ny Israelita tafangona mba hanontany ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary alitara varahina izay nataon'i Bezalila, zanak'i Ory zanak'i Hora, dia teo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah; ary Solomona sy fiangonana nitady Azy tao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny alitara varahina izay nataon’i Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, dia teo anoloan’ny tabernakelin’NY TOMPO. Nitady Azy i Solomona sy ny fiangonana.
malagasy
Ary alitara varahina izay nataon'i Bezalila, zanak'i Ory zanak'i Hora, dia teo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah; ary Solomona sy fiangonana nitady Azy tao. [Na: azy]