2 Chronicles 1:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanolotra fanatitra teo anatrehan’NY TOMPO teo amin’ny alitara varahina, izay momba ny tranolay fihaonana, i Solomona; fanatitra dorana manontolo arivo no nateriny teo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tao ihany, teo ambonin’ilay ôtely varahina, teo anoloan’i Iaveh, akaikin’ny trano lay fihaonana, no nanoloran’i Salômôna sorona dorana arivo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandroso teo anatrehan’ny TOMPO i Salômôna ka nanolotra sorona dorana manontolo arivo teo ambonin’ny alitara halimo akaikin’ny Tranolay fihaonana.
Malagasy Bible 1865
Ary Solomona nanatitra fanatitra teo amin'ny alitara varahina teo anatrehan'i Jehovah, izay momba ny trano-lay fihaonana; fanatitra dorana arivo no nateriny teo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanolotra fanatitra teo anatrehan’NY TOMPO teo amin’ny alitara varahina, izay momba ny tranolay fihaonana, i Solomona; fanatitra dorana manontolo arivo no nateriny teo.
malagasy
Ary Solomona nanatitra fanatitra teo amin'ny alitara varahina teo anatrehan'i Jehovah, izay momba ny trano-lay fihaonana; fanatitra dorana arivo no nateriny teo.