2 Chronicles 10:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga hoentinareo; kotopia no namaizan’ny raiko anareo, fa kotopia misy fantsika kosa no hamaizako anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa izao àry, jioga mavesatra no nampitondrain’idada anareo: hataoko mavesabesatra kokoa ny jioganareo. Kotopia no namaizan’idada anareo, fa maingoka kosa no hamaizako anareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa vao mainka hanampy trotraka izany; karavasy tsotra no namaizan-draiko anareo, fa karavasy misy faraingo kosa no hamaizako anareo.»
Malagasy Bible 1865
koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga hoentinareo; kotopia no namaizan’ny raiko anareo, fa kotopia misy fantsika kosa no hamaizako anareo.
malagasy
koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.