2 Chronicles 10:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka niteny taminy araka ny hevitra nomen’ireo tanora hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa dia vao mainka hanampy izany; kotopia no namaizan’ny raiko anareo, fa kotopia misy fantsika kosa no hamaizako anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa araka ny torohevitry ny tovolahy no nitenenany taminy, nataony hoe: «Nampahavesatra ny jioganareo idada, ary izaho hanavesabesatra kokoa izany aminareo; kotopia no namaizan’idada anareo, ary maingoka kosa no hamaizako anareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary araka ny torohevitr’ireo tovolahy no nitenenany taminy hoe: –Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa vao mainka hanampy trotraka an’izany; karavasy tsotra no namaizan-draiko anareo, fa karavasy misy faraingo kosa no hamaizako anareo.
Malagasy Bible 1865
ka niteny taminy araka ny hevitra nomen'ireo tovolahy hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa mainka hanampy izany; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa hamaizako anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka niteny taminy araka ny hevitra nomen’ireo tanora hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa dia vao mainka hanampy izany; kotopia no namaizan’ny raiko anareo, fa kotopia misy fantsika kosa no hamaizako anareo.
malagasy