2 Chronicles 10:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony hitan’ny Israely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka dia hoy ny vahoaka tamin’ny mpanjaka: Inona moa no anjaranay amin’i Davida? Tsy manana lova amin’ny zanak’i Jese izahay. Samia mody any an-dainy avy, ry Israely e! Ankehitriny, tsinjovy ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Israely rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa hitan’i Israely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia hoy ny navalin’ny vahoaka ny mpanjaka: «Manana anjara inona amin’i Davida moa izahay? Tsy manan-dova amin’ny zanak’i Isaia izahay! Koa samia ho any an-dainy, ry Israely, fa ianao kosa, ry Davida, ahio ny tranonao!» Dia samy nody ho any an-dainy avy i Israely rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tsapan’ny Israelita tavaratra rehetra fa tsy nankatoavin’ny mpanjaka ny fitakiany, dia hoy ny navalin’ireo hoe: –Tsy manana anjara inona amin’i Davida isika na manana anjara lova amin’ny taranak’i Jisay. Samia mody any an-tranony avy isika, ry Israelita tavaratra! Ianao kosa, ry zafikelin’i Davida, karakarao ny fanjakanao. Dia samy nody ho any an-tranony avy ny Israelita tavaratra rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary nony hitan'ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin'i Davida? Tsy manana lova amin'ny zanak'i Jese izahay. Samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e! ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony hitan’ny Israely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka dia hoy ny vahoaka tamin’ny mpanjaka: Inona moa no anjaranay amin’i Davida? Tsy manana lova amin’ny zanak’i Jese izahay. Samia mody any an-dainy avy, ry Israely e! Ankehitriny, tsinjovy ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Israely rehetra.
malagasy