2 Chronicles 10:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia naniraka an’i Adorama, mpifehy ny mpanao fanompoana, i Rehoboama mpanjaka, nefa nitora-bato azy ny Zanak’Israely ka maty izy. Dia niezaka niakatra haingana amin’ny kalesy fitondrany miady i Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay i Rôbôama mpanjaka naniraka an’i Adôrama lehiben’ny mpamory hetra; fa ny zanak’i Israely rehetra nitora-bato an’i Adôrama, ka maty io. Dia niezaka niakatra ny kalesy anankiray faingana i Rôbôama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary naniraka an’i Adôrama mpiandraikitra ny asa an-terivozona i Rehabohama mpanjaka; nefa nitora-bato an’i Adôrama ny Israelita tavaratra ka nahafaty azy. Zara raha afa-nitaingina ny kalesiny haingana i Rehabohama mba handositra any Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Ary dia naniraka an'i Adorama, komandin'ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Zanak'isiraely nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin'ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia naniraka an’i Adorama, mpifehy ny mpanao fanompoana, i Rehoboama mpanjaka, nefa nitora-bato azy ny Zanak’Israely ka maty izy. Dia niezaka niakatra haingana amin’ny kalesy fitondrany miady i Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.
malagasy
Ary dia naniraka an'i Adorama, komandin'ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Zanak'isiraely nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin'ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.Ka dia niodina tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely mandraka androany.