2 Chronicles 11:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga tany Jerosalema i Rehoboama dia novoriny ny taranak’i Joda sy i Benjamina, dia miaramila valo alina sy iray hetsy voafantina, hiady amin’ny Israely mba hampody ny fanjakana ho an’i Rehoboama.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tafaverina tany Jerosalema i Rôbôama, dia namory ny taranak’i Jodà sy i Benjamina, mpiady voafantina 180.000, hiady amin’i Israely hampody ny fanjakana amin-dRôbôama.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao tonga tany Jerosalema i Rehabohama, dia namory miaramila voafantina miisa vondrona 180 tamin’ny fokon’i Joda sy i Benjamîna mba hiady amin’i Israely avaratra ka hamerina indray io fanjakana io ho an’ny tenany.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak'i Joda sy Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin'ny Isiraely hampody ny fanjakana ho an-dRehoboama.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga tany Jerosalema i Rehoboama dia novoriny ny taranak’i Joda sy i Benjamina, dia miaramila valo alina sy iray hetsy voafantina, hiady amin’ny Israely mba hampody ny fanjakana ho an’i Rehoboama.
malagasy
[Ny nanjakan-dRehoboama] Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak'i Joda sy Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin'ny Isiraely hampody ny fanjakana ho an-dRehoboama.