2 Chronicles 11:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary na iza na iza tamin’ny fokon’Israely rehetra no nanolotra ny fony hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny razany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanaraka azy ireo koa izay mikely aina amin’ny fo tokoa hitady an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, avy amin’ny firenen’i Israely rehetra, ka tonga tany Jerosalema hanatitra sorona ho an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na iza na iza anisan’ny foko rehetra tamin’i Israely avaratra, ka nafana fo hitady ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, dia nanaraka ireo levita nankany Jerosalema mba hanolotra sorona amin’ny TOMPO Andriamanitry ny razany.
Malagasy Bible 1865
Ary na iza na iza tamin'ny firenen'Isiraely rehetra no nanolotra ny fony hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary na iza na iza tamin’ny fokon’Israely rehetra no nanolotra ny fony hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny razany.
malagasy