2 Chronicles 11:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tia an’Imaka, zanakavavin’i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vady tsindranony rehetra i Rehoboama, fa izy dia naka vady valo amby folo sy vady tsindrano enimpolo ka niteraka lahy valo amby roapolo sy vavy enimpolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Maakà zanaka vavin’i Absalôma no tian-dRôbôama indrindra, tamin’ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra, fa nanambady 18 sy vadintsindrano 60 izy; ary niteraka lahy 28 sy vavy 60.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Mahekà, zanakavavin’i Absalôma, dia notiavin’i Rehabohama mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsidranony rehetra; fa vady 18 ary vaditsidrano enimpolo no nananany, ka niterahany zazalahy 28 sy zazavavy enimpolo.
Malagasy Bible 1865
Ary Rehoboama tia an'Imaka, zanakavavin'i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin'ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tia an’Imaka, zanakavavin’i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vady tsindranony rehetra i Rehoboama, fa izy dia naka vady valo amby folo sy vady tsindrano enimpolo ka niteraka lahy valo amby roapolo sy vavy enimpolo.
malagasy