2 Chronicles 11:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mandeha hiady amin’ny rahalahinareo fa samia mody any an-tranony avy ianareo; satria avy Amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin’NY TOMPO ny olona ka samy lasa nody fa tsy nandeha hamely an’i Jeroboama.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: Aza miakatra ary aza miady amin’ny rahalahinareo! Samia mody any an-tranony avy ianareo, satria avy amiko no nahatonga izao zavatra izao». Dia nihaino ny tenin’i Iaveh izy ireo, ka nody fa tsy nandeha hiady tamin’i Jerôbôama.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa izao no lazain’ny TOMPO: «Aza mandeha hiady amin’ny mpiray firenena aminareo; samia mody any an-tranony avy ianareo, satria Izaho no nahatonga izao zavatra izao.» Dia nankatoavin’ny olona izany tenin’ny TOMPO izany, ka samy lasa nody izy fa tsy nandeha hamely an’i Jerôbohama.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: Aza mandeha hiady amin'ny rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin'i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody, fa tsy nandeha hamely an'i Jeroboama.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mandeha hiady amin’ny rahalahinareo fa samia mody any an-tranony avy ianareo; satria avy Amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin’NY TOMPO ny olona ka samy lasa nody fa tsy nandeha hamely an’i Jeroboama.
malagasy