2 Chronicles 12:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema ka nitondra ny fanjakany; iraika amby efapolo taona izy raha tonga mpanjaka, ary fito amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanàna nofidin’NY TOMPO tamin’ny fokon’ny Israely hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran’ny reniny dia Nama amonita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nitombo hery tao Jerosalema i Rôbôama mpanjaka, ka dia nanjaka. 41 taona izy, fony vao nanjaka, ary 27 taona no nanjakany tao Jeosalema, ilay tanàna nofidin’i Iaveh tamin’ny fokon’i Israely rehetra, hametrahana ny Anarany. Naamà, Amônita, no anaran-dreniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Rehabohama mpanjaka dia nanamafy ny fahefàny tao Jerosalema, ka dia nanjaka; feno 41 taona izy fony tonga mpanjaka, ary naharitra 17 taona no nanjakany tao Jerosalema, ilay tanàna nofidin’ny TOMPO tamin’ireo fokon’i Israely rehetra mba hampitoerany ny vonihahiny. Ny anaran-drenin’i Rehabohama dia i Nahamà izay Hamônita.
Malagasy Bible 1865
Ary Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema, ka dia nanjaka; iraika amby efa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanana nofidin'i Jehovah tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema ka nitondra ny fanjakany; iraika amby efapolo taona izy raha tonga mpanjaka, ary fito amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanàna nofidin’NY TOMPO tamin’ny fokon’ny Israely hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran’ny reniny dia Nama amonita.
malagasy