2 Chronicles 12:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tantaran’i Rehoboama, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’i Semaia mpaminany sy Ido mpahita ny amin’ny firazanana va izany? Niady mandrakariva i Rehoboama sy i Jeroboama.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny asa nataon-dRôbôama, na ny voalohany na ny farany, moa tsy efa voasoratra ao amin’ny Tenin’i Semaiasa mpaminany, sy ny an’i Adô mpahita, momba ny tetiaram-pirazanana? Niady mandrakariva i Rôbôama sy i Jerôbôama.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny tantaran’i Rehabohama, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’i Semahià mpaminany sy i Hidao mpahita sady voavisavisa tsara. Ary niady mandrakariva i Rehabohama sy i Jerôbohama.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tantaran-dRehoboama, na ny voalohany na ny farany, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'i Semaia mpaminany sy Ido mpahita ny amin'ny firazanana va izany? Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tantaran’i Rehoboama, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’i Semaia mpaminany sy Ido mpahita ny amin’ny firazanana va izany? Niady mandrakariva i Rehoboama sy i Jeroboama.
malagasy
Ary ny tantaran-dRehoboama, na ny voalohany na ny farany, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'i Semaia mpaminany sy Ido mpahita ny amin'ny firazanana va izany? Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama.Ary Rehoboama lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.