2 Chronicles 12:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tonga tao amin’i Rehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin’i Sisaka, i Semaia mpaminany ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Efa nahafoy Ahy ianareo, koa Izaho kosa dia mba hahafoy anareo ho eo an-tanan’i Sisaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tonga i Semaiasa mpaminany, nanatona an-dRôbôama sy ny filohan’i Jodà, izay tafangona tao Jerosalema, noho i Sesàka efa akaiky, ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Efa nahafoy Ahy ianareo, ka dia mba afoiko kosa ho eo an-tanan’i Sesàka.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho ny fiavian’i Sisàka, dia tafavory tao Jerosalema i Rehabohama sy ireo mpifehy ny faritr’i Joda. Nanatona ny mpivory kosa i Semahià mpaminany ka nanao taminy hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Ianareo efa nandao Ahy; Izaho koa mba mandao anareo ho eo ambany fifehezan’i Sisàka.»
Malagasy Bible 1865
Ary Semaia mpaminany tonga tao amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin'i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo an-tànan'i Sisaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tonga tao amin’i Rehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin’i Sisaka, i Semaia mpaminany ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Efa nahafoy Ahy ianareo, koa Izaho kosa dia mba hahafoy anareo ho eo an-tanan’i Sisaka.
malagasy