2 Chronicles 12:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony hitan’NY TOMPO fa nanetry tena izy ireo dia tonga tao amin’i Semaia indray ny tenin’NY TOMPO hoe: Efa nanetry tena izy ka tsy handringana azy Aho fa hamonjy azy tsy ho ela; ary tsy haidiko amin’i Jerosalema avy amin’ny tanan’i Sisaka ny fahatezerako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony hitan’i Iaveh fa nanetry tena izy ireo, dia tonga tamin’i Semaiasa ny tenin’i Iaveh nanao hoe: «Efa nanetry tena izy ireo, ka tsy handringana azy Aho: fa tsy ho ela, dia homeko ny fanafahana izy ireo, ary tsy hanampatra ny hatezerako amin’i Jerosalema, amin’ny tanan’i Sesàka Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nony hitan’ny TOMPO izany fiekena hadisoana izany, dia nisy indray tenin’ny TOMPO tamin’i Semahià nanao hoe: –Efa niaiky hadisoana ireo, ka tsy handringana azy Aho fa tsy ho ela dia hanafaka azy; ary ny fahatezerako tsy hatosako amin’i Jerosalema avy amin’ny famelezan’i Sisàka.
Malagasy Bible 1865
Ary nony hitan'i Jehovah fa niaiky izy, dia tonga tao amin'i Semaia indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy; ary tsy haidiko amin'i Jerosalema avy amin'ny tànan'i Sisaka ny fahatezerako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony hitan’NY TOMPO fa nanetry tena izy ireo dia tonga tao amin’i Semaia indray ny tenin’NY TOMPO hoe: Efa nanetry tena izy ka tsy handringana azy Aho fa hamonjy azy tsy ho ela; ary tsy haidiko amin’i Jerosalema avy amin’ny tanan’i Sisaka ny fahatezerako.
malagasy
Ary nony hitan'i Jehovah fa niaiky izy, dia tonga tao amin'i Semaia indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy; ary tsy haidiko amin'i Jerosalema avy amin'ny tànan'i Sisaka ny fahatezerako. [Na: fa hamonjeko ihany]