2 Chronicles 12:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niakatra hamely an’i Jerosalema i Sisaka, mpanjakan’i Ejipta, ka namabo ny harena tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy ny harena tao amin’ny tranon’ny mpanjaka. Samy nobaboiny avokoa izy rehetra; nobaboiny koa ny ampinga volamena izay nataon’i Solomona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niakatra namely an’i Jerosalema i Sesàka mpanjakan’i Ejipta, ka namabo ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka, nataony mafafa. Nobaboiny ireo ampinga volamena nataon’i Salômôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niakatra i Sisàka mpanjakan’i Ejipta mba hamely an’i Jerosalema ka namabo ny raki-tsoa tao an- tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka; nobaboiny avokoa ireo, indrindra ny ampinga volamena rehetra izay nataon’i Salômôna.
Malagasy Bible 1865
Dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i Egypta, hamely an'i Jerosalema ka namabo ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka: samy nobaboiny avokoa izy rehetra; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena izay nataon'i Solomona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niakatra hamely an’i Jerosalema i Sisaka, mpanjakan’i Ejipta, ka namabo ny harena tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy ny harena tao amin’ny tranon’ny mpanjaka. Samy nobaboiny avokoa izy rehetra; nobaboiny koa ny ampinga volamena izay nataon’i Solomona.
malagasy