2 Chronicles 13:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandoro fanatitra dorana manontolo sy ditin-kazo manitra ho an’NY TOMPO isa-maraina sy isan-kariva izy, ny mofo atao fanatitra koa dia alahany tsara eo amin’ny latabatra, ary ny jiro dia ampirehetiny isan-kariva ao amin’ny fitoeran-jiro volamena sy ny lela fitoeran-jirony; fa izahay dia mitandrina izay nasain’NY TOMPO Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa dia nahafoy Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka izy ireo, dia mandoro sorona dorana hanetona amin’i Iaveh isan’andro marain-tsy hariva ary zava-manitra tsara fofona koa: ataony eo ambonin’ny latabatra madio ny mofo alahatra; ary ny fanaovan-jiro volamena mbamin’ny lalampiny dia ampirehetiny isan-kariva; satria tandremanay ny didin’i Iaveh Andriamanitray, fa ianareo kosa nandao Azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Isa-maraina sy isan-kariva ireo no mampanetona ny sorona dorana manontolo sy ny vovo-javamanitra ho an’ny TOMPO na koa mandahatra eo amin’ny latabatra madio ny mofo atolotra ho an’Andriamanitra; ary isan-kariva ireo no mampirehitra ny jiro eo amin’ny fitoeran-jiro volamena. Izahay manko mitandrina izay nasain’ny TOMPO Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa nandao Azy.
Malagasy Bible 1865
ary mandoro fanatitra dorana sy ditin-kazo manitra ho an'i Jehovah isa-maraina sy isan-kariva izy, ary ny mofo aseho koa alahany eo amin'ny latabatra tsara, ary ny jiro koa ampirehetiny Isan-kariva ao amin'ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony; fa izahay mitandrina izay nasain'i Jehovah Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa nahafoy Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandoro fanatitra dorana manontolo sy ditin-kazo manitra ho an’NY TOMPO isa-maraina sy isan-kariva izy, ny mofo atao fanatitra koa dia alahany tsara eo amin’ny latabatra, ary ny jiro dia ampirehetiny isan-kariva ao amin’ny fitoeran-jiro volamena sy ny lela fitoeran-jirony; fa izahay dia mitandrina izay nasain’NY TOMPO Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa dia nahafoy Azy.
malagasy