2 Chronicles 13:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indro, ato aminay Andriamanitra ho mpitarika anay, ary ny mpisorony dia hitsoka mafy ny trompetra avo faneno mba hamelezana anareo. Ry Zanak’Israely ô, aza miady amin’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo; fa tsy hambinina ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro fa miaraka aminay, mitarika anay, Andriamanitra sy ny mpisorony, mbamin’ny trômpetra avo feo izay hotsofina hamelezana anareo. Koa aza miady amin’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo, ry zanak’i Israely, fa tsy hahomby anie ianareo!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro miaraka aminay Andriamanitra mba ho mpitarika anay; ary indreo ny mpisorony vonona hitsoka ny trompetra avo faneno mba hanaingana hamely anareo. Koa aza miady amin’ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ry Israelita tavaratra, fa tsy hahomby ange ianareo!»
Malagasy Bible 1865
Ary, indro, ato aminay Andriamanitra ho mpitarika anay, ary ny mpisorony sy ny trompetra avo faneno hotsofina mafy hamelezana anareo Ry Zanak'isiraely ô, aza miady amin'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo; fa tsy hambinina ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indro, ato aminay Andriamanitra ho mpitarika anay, ary ny mpisorony dia hitsoka mafy ny trompetra avo faneno mba hamelezana anareo. Ry Zanak’Israely ô, aza miady amin’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo; fa tsy hambinina ianareo.
malagasy