2 Chronicles 13:23 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nodimandry any amin’ny razany i Abia, dia nalevina tao an-Tanànan’i Davida izy; ary i Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Ary tamin’ny andron’i Asa dia nandry fehizay nandritra ny folo taona ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nody mandry any amin’ny razany i Abià ka nalevina tao an-tanànan’i Davida. I Asà zanany no nanjaka nandimby azy. Nandry folo taona ny tany tamin’ny androny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Abià, dia nalevina tao an- Tanànan’i Davida; ary i Asà zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nodimandry any amin’ny razany i Abia, dia nalevina tao an-Tanànan’i Davida izy; ary i Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Ary tamin’ny andron’i Asa dia nandry fehizay nandritra ny folo taona ny tany.
malagasy
[Ny niandohan'ny nanjakan'i Asa, sy ny nandravany ny fombam-pivavahana tsy marina, ary ny nandreseny ny Etiopiana] Ary Abia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tanànan'i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Ary tamin'ny andron'i Asa dia nandry folo taona ny tany.