2 Chronicles 13:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Abia no nanomboka ny ady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; i Jeroboama kosa dia nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka i Abià no nanomboka ny ady, nitondra miaramila mpiady mahery, lehilahy voafantina, 400.000; fa lehilahy voafantina 800.000, mpiady mahery, kosa no nalahatr’i Jerôbôama hiady aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Abià no nanomboka izany ka nitondra miaramila maherifo, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany efajato. I Jerôbohama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany valonjato sady samy maherifo avokoa.
Malagasy Bible 1865
Ary Abia niantomboka niady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; ary Jeroboama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Abia no nanomboka ny ady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; i Jeroboama kosa dia nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa.
malagasy