2 Chronicles 13:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima izay any amin’ny tany be havoana any Efraima i Abia ka niteny hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Israely rehetra:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitsangana teo an-tampon-tendrombohitra Semeròna, teo amin’ny tendrombohitr’i Efraima, i Abià ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry Jerôbôama sy i Israely rehetra!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo an-tampon’i Tsemaraîma, tendrombohitr’i Efraîma, no nijoro i Abià ka niteny hoe: «Henoy aho, ry Jerôbohama sy ry Israelita rehetra!
Malagasy Bible 1865
Ary Abia nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima, izay any amin'ny tany havoan'i Efraima, ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Isiraely rehetra:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima izay any amin’ny tany be havoana any Efraima i Abia ka niteny hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Israely rehetra:
malagasy
Ary Abia nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima, izay any amin'ny tany havoan'i Efraima, ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Isiraely rehetra: