2 Chronicles 13:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ho an’i Davida mandrakizay ny fanjakan’ny Israely, dia ho azy sy ny taranany tamin’ny fanekena tsy azo ivadihana mandrakizay?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ho an’i Davida mandrakizay, ny fanjakana amin’i Israely, dia ho azy sy ny taranany, amin’ny fanekena tsy azo dikaina?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy tokony ho fantatrareo ve fa ny TOMPO Andriamanitr’i Israely efa nanome mandrakizay ny fanjakàn’i Israely ho an’i Davida sy ny taranany? Eny, nataony fanekena tsy azo foanana izany.
Malagasy Bible 1865
Moa tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho an'i Davida mandrakizay ny fanjakan'ny Isiraely? dia ho azy sy ny taranany amin'ny fanekena nasiantsira.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Moa tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho an'i Davida mandrakizay ny fanjakan'ny Isiraely? dia ho azy sy ny taranany amin'ny fanekena nasiantsira.