2 Chronicles 13:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ankehitriny ianareo dia mikasa hanohitra ny fanjakan’NY TOMPO, izay eo an-tanan’ny taranak’i Davida; ary marobe ianareo, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon’i Jeroboama ho andriamanitrareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianareo ankehitriny mba matoky hahery eo anatrehan’ny fanjakan’i Iaveh izay eo an-tanan’ny taranak’i Davida; sady vahoaka maro be ianareo, ary miaraka aminareo ny zanak’omby volamena nataon’i Jerôbôama ho andriamanitrareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankehitriny ianareo dia mihambo hanohitra ny fanjakana izay napetraky ny TOMPO eo an-tanan’ny taranak’i Davida. Marobe tokoa ianareo sady tafaraka aminareo ny ombilahikely volamena izay nataon’i Jerôbohama ho andriamanitrareo.
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan'i Jehovah, izay eo an-tànan'ny taranak'i Davida; ary ianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon'i Jeroboama ho andriamanitrareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ankehitriny ianareo dia mikasa hanohitra ny fanjakan’NY TOMPO, izay eo an-tanan’ny taranak’i Davida; ary marobe ianareo, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon’i Jeroboama ho andriamanitrareo.
malagasy