2 Chronicles 13:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron’NY TOMPO, dia ny taranak’i Arona, sy ny levita, ka nanendry mpisorona ho anareo, tahaka ny fanaon’ny firenena amin’ny tany hafa ianareo? Koa izay rehetra mitondra vantotra ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany dia izy no tonga mpisorona amin’ireo tsy Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy efa narianareo va ny mpisoron’i Israely, dia ny taranak’i Aarôna sy ny Levita, ary moa tsy nananga-mpisorona ho anareo va ianareo, toy ny firenen’ny tany? Na iza na iza tonga nitondra vantotr’ombalahy iray sy ondralahy fito mba hampanamasina ny tenany dia tonga mpisoron’izay tsy Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noroahinareo ny tena mpisoron ’ny TOMPO, dia ny taranak’i Aharôna ary koa ny levita; fa nanendry mpisorona ho anareo kosa ianareo, tahaka ny fanaon’ny firenena any amin’ny tany hafa. Na iza na iza nitondra ombilahy iray sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia tonga mpisoron’ireny andriamani-tsiizy ireny.
Malagasy Bible 1865
Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron'i Jehovah, dia ny taranak'i Arona, sy ny levita, ka nanendry mpisorona ho anareo tahaka ny fanaon'ny firenena amin'ny tany hafa ianareo? ka na zovy na zovy mitondra vantotr'ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia izy no tonga mpisorona amin'ireo tsi-Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron’NY TOMPO, dia ny taranak’i Arona, sy ny levita*, ka nanendry mpisorona ho anareo, tahaka ny fanaon’ny firenena amin’ny tany hafa ianareo? Koa izay rehetra mitondra vantotra ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany dia izy no tonga mpisorona amin’ireo tsy Andriamanitra.
malagasy
Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron'i Jehovah, dia ny taranak'i Arona, sy ny levita, ka nanendry mpisorona ho anareo tahaka ny fanaon'ny firenena amin'ny tany hafa ianareo? ka na zovy na zovy mitondra vantotr'ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia izy no tonga mpisorona amin'ireo tsi-Andriamanitra.