2 Chronicles 14:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitaraina tamin’NY TOMPO Andriamaniny i Asa hoe: TOMPO ô, tsy misy afa-tsy Ianao no mahavonjy ny tsy manan-kery eo anoloan’ny maro ka vonjeo izahay, RY TOMPO Andriamanitray ô, fa Ianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin’ireto olona ireto. TOMPO ô, Ianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niantso an’i Iaveh Andriamaniny i Asà ka nanao hoe: «Iaveh ô, azonao vonjena mora foana ny malemy tahaka ny mahery, ka vonjeo izahay, ry Iaveh Andriamanitray! Fa Ianao no iankinanay, ary amin’ny Anaranao no nandrosoanay hiady amin’ireto vahoaka be ireto, Ianao no Andriamanitray, ry Iaveh: aza maharesy Anao anie ny olona!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO Andriamaniny i Asà ka nanao hoe: –TOMPO ô, tsy misy afa-tsy Ianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian’ny matanjaka izy; ka vonjeo izahay, ry TOMPO Andriamanitray ô, fa Ianao no iankinanay ary ny anaranao no irosoanay hiady amin’ity tafika goavana ity. TOMPO ô, Ianao no Andriamanitray, ka aza avela hisy olombelona haharesy Anao.
Malagasy Bible 1865
Ary Asa nitaraina tamin'i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian'ny maro izy, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin'ireto olona ireto. Jehovah ô. Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitaraina tamin’NY TOMPO Andriamaniny i Asa hoe: TOMPO ô, tsy misy afa-tsy Ianao no mahavonjy ny tsy manan-kery eo anoloan’ny maro ka vonjeo izahay, RY TOMPO Andriamanitray ô, fa Ianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin’ireto olona ireto. TOMPO ô, Ianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.
malagasy
Ary Asa nitaraina tamin'i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian'ny maro izy, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin'ireto olona ireto. Jehovah ô. Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.[Na: Jehovah ô, mora foana aminao ny hamonjy na ny mahery na izay tsy manan-kery]