2 Chronicles 14:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanenjika azy hatrany Gerara i Asa sy ny vahoaka niaraka taminy ka nahafatesana be ny Kosita ary tsy naharina intsony, fa voaringana teo anoloan’NY TOMPO sy ny miaramilany izy ka nahazoan’ny Joda babo betsaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nenjehin’i Asà sy ny vahoaka nomba azy hatrany Gerara, ka be loatra ny Etiôpianina lavo ka tsy azony nantenaina ny hiarina indray, fa voatorotoro eo anatrehan’i Iaveh sy eo anatrehan’ny tafiny. Babo tsy erany no azon’i Asà sy ny vahoakany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary nenjehin’i Asà sy ny tafiny hatrany Gerara. Ary nahafatesana be tokoa ny Etiôpianina sady tsy nisy afa-nitsoaka akory aza, satria montsana teo anoloan’ny TOMPO sy ny tafika nombany. Babo betsaka no azon’ny Jodeanina tamin’izay.
Malagasy Bible 1865
Ary Asa sy ny vahoaka teo aminy nanenjika azy hatrany Gerara, ka dia nahafatesana be ny Etiopiana ka tsy naharina intsony; fa voaringana teo anoloan'i Jehovah sy ny miaramilany izy, ka nahazoan'ny Joda babo betsaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanenjika azy hatrany Gerara i Asa sy ny vahoaka niaraka taminy ka nahafatesana be ny Kosita ary tsy naharina intsony, fa voaringana teo anoloan’NY TOMPO sy ny miaramilany izy ka nahazoan’ny Joda babo betsaka.
malagasy